INDDL MADAGASCAR

Fiofanana mikasika ny sora-piankohonana INDDL OIF MENABE

Atsinanana, Faritra faharoa nanatanterahan’ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy Fanajariana ny Tany tamin’ny alalan’ny INDDL ny fiofanana mikasika ny sora-piankohonana ny 11-12-13 jiona 2025 izay novatsian’ny OIF sy ny Masoivoho Frantsay.

Anisan’ny vinan’asa ny fitondram-panjakana amin’izao ny fampananana sora-piankohonana ny olona tsirairay. Izay zo fototra maha-olona. 

Manoloana izany, ny fampiofanana dia mikasa hatrany ny hanatsarana ny fahaiza-manao ny mpiandraikitra sy ny mpitantsoratry ny sora-piankohonana mba hahafahana manome tolo-draharaha tsara kalitao sy manaraka ny fenitra ho an’ireo vahoaka. 

Mpisitraka 78 avy tamin’ny Kaominina 37 tao anatin’ny Distrika Toamasina I, Toamasina II ary Brickaville no nisitraka izany fampiofanana izany.