INDDL MADAGASCAR

Fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpanampy amin’ny famolavolana ny Drafitr’asa Fampandrosoana Ifotony II (PDLII)

Notanterahina ny 6 hatramin’ny 8 aogositra 2025 ny fampiofanana ny mpampiofana mahakasika ny famolavolana ny Drafitra Fampandrosoana Ifotony Tsy Manakavaka sy Iombonan’ny Sehatra Rehatra(PDLII), fanamorana ny fananganana ny Rafitra Ifotony Fikaonan-doha( SLC) ary ny tekinika fampiofanana ny olon-dehibe. 

🎯 Tanjon ny fiofanana ny  hanamafisana ny fahaiza-manao ara-teknika an’ireo mpampiofana eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany sy ireo ratsamangaika izay ahitana ireo mpiasa eto anivon’ny INDDL, mba hatsarana sy hampitoviana ny fomba fiasa. 

EFA VONONA AMIN’NY FIDINANA IFOTONY IREO MPAMPIOFANA