INDDL MADAGASCAR

INDDL

Fananganana sy Fandaminana 

Noforonina ny INDDL araka ny didim-panjakana laharana 2011-230 tamin’ny 30 may 2011, izay mirakitra ny famoronana, ny fampandehanana ary ny fandaminana anatiny. Ny didim-panjakana laharana 2018-258 tamin’ny 27 martsa 2018 no nanova ny fandaminana anatiny.

Toeram-piasana sy Andraikitra
Toeram-piasana miankina amin’ny fanjakana ny INDDL, izay manana ny fitantanan-draharaham-panjakana. Izy dia:

  • Ivo-toerana Nasionaly momba ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fampandrosoana Ifotony,
  • Manana fizakan-jo aman’andraikitra araka ny lalàna,
  • Manana fahaleovan-tena eo amin’ny fitondran-draharaha sy fitantanam-bola,
  • Manana fizakan-tena ara-pitantanana sy ara-bola.

Tanjona sy Asa

Fampiofanana sy Fikarohana

  • Mitarika ny fampiofanana vao miandoha sy mitohy ho an’ireo olom-boafidy sy tompon’andraikitra eny anivon’ny Vondrom-bahoaka Itsinjaram-pahefana.
  • Manatontosa fikarohana sy fampivoarana momba ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana ifotony.

Fanaraha-maso sy Fanohanana

  • Tantsoroka ho an’ireo Vondrom-bahoaka Itsinjaram-pahefana amin’ny fampandrosoana ny fitantanana ny asam-panjakana eny ifotony.
  • Fanaraha-maso sy fizohina amin’ny fanatanterahana ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana ifotony, indrindra eo amin’ny lafin’ny fiofanana sy fahaiza-manao.

Fampandrosoana sy Fanamarinana

  • Mandrindra sy manamafy ny fahaiza-manaon’ireo voafidy sy tompon’andraikitra eny anivon’ny kaominina.
  • Mitandro ny fenitra sy ny filaminana amin’ny fitaovana ampiasaina amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny CTD.
  • Manolotra taratasy fanamarinam-piofanana ho an’ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny Vondrom-bahoaka Itsinjaram-pahefana.