INDDL MADAGASCAR

Famaranana amin'ny fomba ofisialy ny fiofanana mikasika ny Sampan- draharaha ny sora-piankohonana Izay tohanan'ny OIF sy ny ambasady Frantsay

Notanterahina ny 10 jolay 2025 tao Fianarantsoa, Renivohitry ny Faritra Matsiatra Ambony ny fanakatonana tamin’ny fomba ofisialy ny fiofanana izay nataon’ny Ministeran’ny Fitsijaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany amin’ny alalan’ny INDDL ary notohanan’ny OIF sy ny Masoivohpo Frantsay.

Tonga namarana izany tamin’ny fomba ofisialy ny Préfet an’ny Fianarantsoa, ny Sekretera Jeneraly ny Faritra Matsiatra Ambony, ny Talen’ny Fampiofanana avy ao amin’ny INDDL ary ny Sefo Distrika Isandra. 

Taorian’ny fiofanana dia nisy ny fizarana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpandray anjara miisa 30 avy tamin’ny Distrika Fianarantsoa sy Isandra.

Marihina moa fa Faritra fito no hanatanterahana ny fiofanana mikasika ny sora-piankohonana amin’ity taona ity.