INDDL MADAGASCAR

Fiofanana slc pdlii

50 ireo mpiasan’ny Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany, andiany voalohany, izay misitraka ny fampiofanana ho an’ny mpampiofana izay atao ny 11 hatramin’ny 14 martsa 2025 ao amin’ny biraon’ny FDL Anosy. Hofanina mandritra izany ny fampianarana olon-dehibe, Fomba Fiasa Mirindra, Fampandrosoana Ifotony tsy manavaka sy iombonan’ny rehetra, ny fiovan’ny tontolo iainana

Tanjon’izao fampiofanana izao ny mba hananan’ireo mpiasa eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fampandrosoana Ifotony ireo traikefa ara-teknika sy ahafahezan’izy ireo ny fampitana ny fampiofanana noratovony eny anivon’ny kaominina. Misy ny fifampizarana izay ataon ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy sy ny MSIS TATAO mandritra izao fampiofanana izao.

Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny Fampiofanana ny Mpampiofana ny Tale Jeneralin’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fampandrosoana Ifotony sy ny Tale Jeneralin’ny Ivo Toerana Nasionaly momba ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fampandrosoana Ifotony ny 11 martsa 2025.