Formation des Formateurs : 50 agents du MDAT renforcent leurs compétences à Anosy
Catégories
Articles récents
-
24 Jun 2025Fiofanana mikasika ny sora-piankohonana INDDL OIF MENABE
-
09 Jun 2025Fiofanana slc pdlii
-
09 Jun 2025Fiofanana mikasika ny sora-piankohonana
-
10 May 2025Fampiofanana ho an'ny Mpampiofana : 50 mpiasan'ny MFFTT no mandray anjara
-
05 May 2025Saviez-vous que l’innovation numérique ouvre de nouvelles perspectives pour la décentralisation à Madagascar ?
-
05 May 2025PNDE : Renforcement des capacités des nouveaux élus communaux à travers une campagne de formation nationale
-
30 Mar 2025Renforcement de la gouvernance locale : Lancement de l’IGL 3.0 et de la plateforme i-HOFANA à Tuléar
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny Fampiofanana ho an’ny Mpampiofana (Formation des Formateurs) izay notanterahina tao amin’ny biraon’ny FDL Anosy ny 11 hatramin’ny 14 martsa 2025.
Mpandray anjara sy votoatin’ny fiofanana
Mpandray anjara amin’ity andiany voalohany ity ny 50 mpiasan’ny Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany (MFFTT). Natao hampahafantarana sy hanofanana azy ireo amin’ireto lohahevitra manaraka ireto ny fiofanana :
Fampianarana olon-dehibe (Andragogie),
Fomba fiasa mirindra sy iarahan’ny rehetra mandray anjara,
Fampandrosoana ifotony tsy anavahana,
Fiovan’ny toetrandro sy tontolo iainana.
Tanjon’ny fiofanana
Ny tanjona dia ny hanome traikefa ara-teknika sy fahaiza-manao mahakasika ny fampiofanana ireo mpiasan’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana, mba hahafahan’izy ireo mampita izany any amin’ny kaominina sy vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.
Fiaraha-miasa sy fizarana traikefa
Anisan’ny manome fanazavana sy mizara traikefa mandritra ny fiofanana ny :
Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy (MEDD),
MSIS-TATAO, izay mandray anjara amin’ny fanatanterahana tetikasa ifotony.
Fanokafana ofisialy
Tonga nanome voninahitra sy nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fiofanana ny :
Tale Jeneralin’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fampandrosoana Ifotony,
Tale Jeneralin’ny Ivo Toerana Nasionaly momba ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fampandrosoana Ifotony (INDDL), ny 11 martsa 2025.